Fiteny jeôrjiana

(tonga teto avy amin'ny Fiteny jeorjiana)

Ny fiteny jeôrjiana dia fiteny ôfisialin' i Jeôrjia izay firenena ao amin' ny faritra afovoan' i Kaokazy, izay anisan' ny fiteny kaokaziana. Amin' ny fiteny jeôrjiana dia atao hoe ქართული ენა / kartuli ena io fiteny io. Ny fiteny jeôrjiana dia fitenin-drenin' ny olona miisa 3 900 000 any ho any ao Jeôrjia (izany hoe 83 %n' ny mponina ao amin' io firenena io) sy fitenin' ny Jeôrjiana any ivelany miisa 500 000 any ho any (indrindra any Torkia, Iràka, Rosia, Etazonia ary ny sisa amin' i Eorôpa). Fitenin' ny haisoratry ny foko maro monina amin' ny tany jeôrjiana koa ny fiteny jeôrjiana, indrindra ireo miteny fiteny tsy anisan' ny fiteny ao Kaokazy afovoany (fiteny kartveliana) toy ny fiteny svana sy ny fiteny mingreliana ary ny fiteny lazy. Soratana amin' ny abidy misy litera 33 atao hoe mkhedruli ny fiteny jeôrjiana vaovao.

Faritra ampiasana ny fiteny jeôrjiana

Ahitana fiovan' endri-teny araka anjara asa miisa fito, tsy misy fanavahana ny kandahy na ny kambavy, ary ahitana fitanisana matoanteny saro-drafitra ny fitsipiteny jeôrjiana. Ahitana renifeo saro-tononina sy fifanarakarahana renifeo saro-drafitra mampiavaka ny fiteny kaokaziana ny ao amin' ny fiteny jeôrjiana.