Ando
Ny ando dia teten-drano madinika vokatry ny fitsiranoky ny eton-drano eny amin' ny rivotra. Amin' ny hariva (na amin' ny maraina koa) no isehoan' ny ando izay mipetaka amin' ny zavamaniry (indrindra amin' ny ravina) sy amin' ny zavatra mivaingana tsy voasarona ka mifampikasika amin' ny rivotra, rehefa mihena ny maripanan' izy ireo ka mampitsiranoka ny eton-drano ao amin' ny rivotra mifampikasoka aminy na manakaiky azy.