I Mopti dia tanàna sady kaominina ao amin' ny faritra afovony any Malỳ, renivohitry ny Faritr' i Mopti.

Seranan-tsambon' i Mopti

Eo amin' ny fihaonan' ny ony Niger sy ny renirano Bani no misy an' i Mopti. Noho izany dia seranan-tsambo mavitrika izy amin' ny fitaterana olona sy ny entana. Toeram-panamborana sambo lehibe eny amoron’ ny ony koa izy, izay ahitana mpanao asa tanana maro mpanamboatra lakana.

Tamin' ny taona 2021 dia nisy mponina efa ho 265 000 eo ho eo izy, avy amin' ny foko samihafa: Bôzô, Folany, Sôngay, Bambara, Dôgôna, Maraka, Toarega ary Môsy vitsy, izay miara-miaina am-pilaminana.

Jereo koa hanova

Bamako - Gao - Kayes - Kidal - Koulikoro - Mopti - Ségou - Sikasso - Tombouctou