I Sikasso no tanàna faharoa lehibe indrindra ao Malỳ izay misy mponina 425 000 eo ho eo. Any amin' ny tapany atsimon' ilay firenena no misy azy io, akaikin' ny sisin-tany manefitra an' i Malỳ amin' i Borkina Fasô sy amin' i Kôtidivoara. Ity tanàna ity no renivohitry ny Faritra Sikasso. Nanjary tanàn-dehibe izy tamin' ny faran' ny taonjato faha-19 rehefa tonga tamin' ny fara tampony ny Fanjakan' i Kénédougou (fanjakana senofô) notarihan' ny tarana-mpanjaka Traoré ary lasa renivohitry ny fanjakana. I Sikasso dia mahazo tombony amin' ny toetrandro amin' ny tanin' ny hivoka trôpikaly mahasoa ny fambolena izay mahatonga azy io ho tsenam-pambolena lehibe.

Ny tsenan' i Sikasso

Jereo koa hanova

Bamako - Gao - Kayes - Kidal - Koulikoro - Mopti - Ségou - Sikasso - Tombouctou