I Mindanao iray amin' ireo nosy ao amin' ny tangoro-nosin' i Filipina ka ao atsimo no misy azy. Mahatratra 480 km ny halavany avy atsinanana miankandrefana. Izy no nosy faharoa lehibe ao Filipina aorian' i Luzon. Ny Ranomasin' i Celebes no mamaritra azy ao atsimo, ny Ranomasin' i Sulu ao andrefana, ny Ranomasin' i Mindanao ao avaratra ary ny Ranomasin' i Filipina sy ny Ranomasimbe Pasifika ao atsinanana.

Ny nosy Mindanao

Nosy be tendrombohitra rakotra ala i Mindanao ka ny avo indrindra dia ny tendrombohitra Apo izay manana haavo mirefy 2 954 m ambonin' ny ranomasina. I Rio Grande sy i Agusan ny renirano lehibe indrindra ao.

Tamin' ny taona 2010 dia nahatratra 20 300 000 ny mponina ao Mindanao[1]. Mpamboly katsaka sy vary sy akondro ary mananasy ny mponina ao, ary vokatra ao koa ny voanio sy ny kôfrà. Ahitana volamena sy varahina sy vy ary arintany ny ao Mindanao. Miompy koa ny mponina ao. I Zamboanga sy i Davao ary i Cagayan de Oro no tanàna lehibe indrindra ao.

Jereo koa hanova

Loharano hanova

  1. Raymond Blanadet, L'Asie du sud-est, Presse universitaire de Nancy, 1992, 344 p. (ISBN 2-86480-379-8), p. 178-191