Ny tangoro-nosy Batanes dia mamorona faritany avaratra indrindra sy kely indrindra ao amin' ny Repoblikan' i Filipina amin' ny lafiny isan' ny mponina sy velarana, ao amin' ny tangoro-nosy Luzon. Ity faritany ity dia ao anatin' ny Faritra Cagayan Valley ary ny renivohiny dia i Basco, ao amin' ny nosy Batan.

Ny tangoro-nosy Batanes (any avaratra indrindra)

Any amin' ny 162 km avaratr' ny nosy Luzon no misy ilay tangoro-nosy, izay misaraka amin' ny tangoro-nosy Babuyan amin' ny alalan' ny Lakandrano Balintang ary any amin' ny 190 km atsimon' i Taiwan, izay misaraka aminy amin' ny alalan' ny Lakandrano Bashi. Ny isan' ny mponina ao dia 17 246 tamin' ny fanisam-bahoaka natao tamin' ny taona 2015.

Ny tangoro-nosy Batanes dia ahitana nosy kely folo, ka ny telo voalohany ihany no misy mponina: Batan, Sabtang, Itbayat, Mavudis, Siayan, Diogo, Nosy Avaratra ary Y'ami na Mavulis (ny nosy avaratra indrindra ao amin' ilay faritany any Filipina).

Jereo koa hanova