Polillo (tangoro-nosy)

Ny tangoro-nosy Polillo dia vondro-nosy miisa 27 eo ho eo any Filipina, ao amin' ny Ranomasin' i Filipina, ary 25 km eo ho eo any atsinanan' ny nosy Luzon. Misaraka amin' ny nosy Luzon amin' ny alalan' ny Andilan-dranomasin' i Polillo izy ireo ary mandrafitra ny ilany avaratra amin' ny Helodranon' i Lamon. Ireo nosy ireo dia ao amin' ny Faritanin' i Quezon ao amin' ny Faritra Calabarzon ao Filipina. Ny velaran' ny nosy rehetra dia eo amin' ny 875 km2 ka mahatonga ny tangoro-nosy Polillo ho lehibe kokoa noho ny nosy Singaporo. Ny nosy telo lehibe dia ny nosy Polillo ary ny nosy Patnanungan ary ny nosy Jomalig.

Ny tangoro-nosy Polillo

Jereo koa hanova