Kaledônia-Vaovao
I Kaledônia-Vaovao na Nouvelle-Calédonie dia nosy maromaro sy tagoro-nosy frantsay any Ôseania, any amin' ny Ranomasina Corail sy ny tapany atsimon' ny Ranomasimbe Pasifika. Anisan' i Melanezia sy i Ôseania Lavitra ity vondrona ity.
Mirefy 18 575,5 km2 ny velarany manontolo. I Grande Terre no nosy lehibe, 400 km ny lavany ary 64 km ny sakany lehibe indrindra. Ny renivohiny dia i Nouméa, kaominina lehibe sady ny hany tanàna lehibe ao amin' ilay vondronosy. Ny isan' ny mponin' ilay renivohitra dia 94 285 araka ny faminavinana natao tamin' ny taona 2019. Misy mponina 182 341 i Grand Nouméa (miaraka amin' ny kaominina manodidina an' i Païta sy i Dumbéa ary i Mont-Dore), izany hoe roa ampahatelon' ny mponina izay miisa 271 407 eo ho eo.
Teo ambany fiandrianana frantsay i Nouvelle-Calédonie nanomboka tamin' ny taona 1853. Araka izany, io fizaràn-tany io dia manana ny satan' ny "collectivité sui generis" frantsay. Amin' izao fotoana izao izy dia manana fizakan-tena matanjaka sy zo hanapa-kevitra samirery, taorian' ny fanafoanana ny fanjanahantany tany am-boalohany sy ny fananganana ny hoavy iraisan' ny tompontany sy ny Kanàka ary ny vondrom-piarahamonina maro hafa ao amin' ilay vondronosy, izay manam-piaviana samihafa (eorôpeana, fantatra amin' ny anarana hoe "Caldoche", aziatika, pôlineziana, sns.).
Manana mari-pamantarana manokana i Nouvelle-Clédonie, miaraka amin' ny fanevam-pirenena frantsay (hiram-pirenena sy teny filamatra ary sarisary sy soratra manokana amin' ny vola taratasy). Iadian-kevitra anefa ny momba ny sainany sy ny anarany. Mampiasa ny anarana hoe "Kanaky" (manondro ny vahoaka kanàka) sy nanana ny sainany manokana nanomboka tamin' ny taona 1984 ny mpandala fahazoana fahaleovantena amin' ny ankapobeny, safidy roa nolavin' ny tsy mpandala ny fahazoana fahaleovantena amin' ny ankapobeny, izay mety hiaro hevitra isan-karazana (tsy fialana amin' ny toerana efa misy, fikambanan' ny mpitaky fahaleovantena miaraka amin' ny any Frantsa, na famoronana marika vaovao iraisan' ny vondrom-piarahamonina rehetra monina ao amin' ilay vondronosy).