Marko Likinio Kraso

Marko Likinio Kraso
Ankapobeny
Anarana Marko Likinio Kraso
Teraka 115 tal. J.K.
Maty 53 tal. J.K.
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Italia, Roma Taloha
Asa :
Fiainana manokana

I Marko Likinio Kraso dia mpanao politika, miaramila mizaka ny zom-pirenen'i Roma Taloha teraka tamin'ny taona 115 tal. J.K. tao Roma ary maty tamin'ny taona 53 tal. J.K. Atao hoe Marcus Licinius Crassus izy amin'ny teny latina.

I Marko Likinio Kraso dia mpitari-tafika sy mpanao politika rômana izay nandray anjara lehibe tamin'ny fanovana ny Repoblika rômana ho Empira. Nahangona harem-be izy nandritra ny fiainany ka heverina fa nanan-karena indrindra teo amin'ny tantaran'i Rôma.

Tamin'ny voalohany i Kraso dia komandin'ny tafika teo ambany fahefan'i Lokio Kornelio Silà (latina: Lucius Cornelius Sulla) nandritra ny ady an-trano faharoa. Rehefa nandresy i Silà ka lasa diktatora dia nanangona harem-be i Kraso tamin'ny alalan'ny fanaovana raharaham-barotra trano. Rehefa nandresy ny andevo nikomy notarihin'i Spartako i Kraso dia lasa olona nanan-danja teo amin'ny politika rômana, ka nizara ny kônsolata tamin'i Pômpeio (latina: Cnaeus Pompeius Magnus) mpifaninana aminy.

Amin'ny maha mpanohana ara-politika sy ara-bolan'i Jolio Kaisara azy dia nitambatra tamin'i Kaisara i Pômpeio izy ka nanangana ny fiaraha-manapaka atao hoe triomviràta. Ireo lehilahy telo ireo dia nanjaka teo amin'ny sehatra politika rômana. Izany fiarahana izany anefa tsy haritra elabe noho ny hambom-po sy ny fifampialonan'izy samy izy. Mpinamana hatry ny ela i Kaisara sy i Kraso, fa i Kraso sy i Pômpeio kosa nifankahala. I Pômpeio manokana dia nialona tafahoatra noho ny fahombiazan'i Kaisara nandritra ny ady tany Galia (latina: Gallia; frantsay: Gaulle).

Nohavaozina indray anefa ilay fiaraha-manapaka tamin'ny fivoriana natao tap Loka (latina: Luca) tamin'ny taona 56 tal. J.K. ka taorian'izany no nahalany an'i Kraso sy i Pômpeio ho kônsola indray mandritra ny fotoam-pitondrana vaovao. Taorian'io fotoam-pitondrana faharoa io dia lasa prôkônsola tao Siria (faritany rômana) i Kraso. Avy ao Siria no nandefasany ny fanafihana ara-miaramila niadiany tamin'ny Empira partiana, izay fahavalon'i Rôma hatry ny ela any Atsinanana. Tsy nahomby ny fanafihana mitohy nataon'i Kraso ka nitarika ny fahafatesany mandritra ny ady tao Haràna (na Karàna) izany.

Nandrava tanteraka sy haingana ny fiarahan'i Kaisara sy i Pômpeio ny fahafatesan'i Kraso. Efa-taona taorian'ny fahafatesany dia niampita an'i Robikôna i Kaisara ka nipoaka ny ady an-trano niadiany tamin'i Pômpeio sy tamin'ny fotondrana ara-dalàna ny Repoblika.

Jereo koa hanova

Rohy ivelany hanova

  • Ao amin'i Freebase: [1]
 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.