I Ezra na Esdrasa dia olona resahina ao amin' ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ny Baiboly kristiana, indrindra ao amin' ny Bokin' i Ezra (na Bokin' i Esdrasa) sy ny Bokin' i Nehemia, sy boky hafa koa. Jiosy babo tany Babilôna izay niverina an-taniny tao Jerosalema tokony ho tamin' ny taona 428 tal. J.K. i Ezra. Sady mpisorona izy no mpanoradalàna, izay velona teo anelanelan' ny taonjato faha-5 sy faha-4 tal. J.K. Atao koa Ezra Mpanoradalàna na Esdrasa Mpanoradalàna koa izy (hebreo: עזרא הסופר‬ / Ezra ha-Sofer).

Mamaky ny Lalàna eo anatrehan' ny vahoaka i Ezra, nataon' i Gustave Doré, taona 1866.

Ny asa nataon' i Ezra hanova

Fanavaozana ny fivavahana jiosy hanova

Nitana anjara lehibe teo amin' ny fanavaozana ny fivavahana jiosy taorian' ny Fahababoana i Ezra. I Ezra dia heverin' ny sasany ho mpanorina faharoa (taorian' ny Mosesy) ny firenena jiosy. Izy no nipoiran' ny fampanjariana fehezan-dalàna ny fitsipika isan-karazany nifehy ny fivavahana sy ny fiaraha-monina jiosy, indrindra ireo izay mifehy ny fanompoam-pivavahana ao amin' ny Tempoly sy ny famaritana ny boky filamatry ny finoana (boky kanônika). Nandray anjara betsaka tamin' ny fanoloana ny mpisorona ho mpampianatra (na raby, hebreo: רַב / rav) izy.

Fanorenana indray ny Tempoly hanova

Izy no nitondra ny andiany faharoa tamin' ireo Jiosy nody an-tanindrazana taorian' ny Fahababoana avy any Babilôna mba hanorina indray ny Tempoly ao Jerosalema izay noravan' ny Babilôniana tany aloha.

Ny asasoratra amin' ny anaran' i Ezra hanova

Araka ny lovantsofina dia i Ezra (na Esdrasa) no nanoratra ny boky kanônika mitondra ny anarany ao amin' ny Baiboly, dia ny Bokin' i Ezra na Bokin' i Esdrasa. Nefa misy soratra hafa koa izay mitondra ny anarany.

Boky kanônika amin' ny anaran' i Ezra hanova

Misy roa ireo boky kanônika amin' ny anaran' i Ezra ka mety hisaraka na hitambatra:

Ny Boky Ezra-Nehemia dia atao hoe 1 Izra ao amin' ny Baiboly ôrtôdôksa etiôpiana.

Ny Boky voalohany sy faharoan' ny Tantara koa dia ataon' ny lovantsofina jiosy fa nosoratan' i Ezra.

Apokrifa na pseodepigrafa amin' ny anaran' i Ezra na Esdrasa hanova

Misy fito ny soratra apôkrifa na pseodepigrafa amin' ny anaran' i Ezra ka mety hitambatra ho boky iray ny sasany arakaraka ny fiangonana na ny Baiboly na ny fiteny itanisana azy. Mety hiova araka izany koa ny laharana araka izany:

  • Boky fahefatr' i Esdrasa na Apôkalipsan' i Esdrasa na Apôkalipsa jiosin' i Esdrasa na 2Esdras ao amin' ny lisitra anglisy.

Jereo koa hanova