Mâlik ibn Anas
Mâlik ibn Anas | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Mâlik ibn Anas | ||
Teraka | 1 Janoary 711 | ||
Maty | 1 Janoary 795 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | Kalifaty Omaiada | ||
Asa : | Tsy fantatra | ||
Fiainana manokana | |||
I Mâlik ibn Anas dia imam, teôlôjiana ary mpahay lalàna arabo mozilmana, mpandala ny nentin-drazana, teraka teo anelanelan' ny taona 708 sy 716 ary maty tamin' ny taona 796 tao amin' ny Kalifata Omeiada. Atao hoe : مالك بن أنس / Mālik ibn Anas io anarna io amin' ny teny arabo. Ny anarany feno dia Abū ʿAbd Allāh Mālik ibn Anas ibn Mālik ibn Abī ʿĀmir ibn ʿAmr ibn al-Ḥārithb Ghaymān ibn Khuthayn ibn ʿAmr ibn al-Ḥārithal-Aṣbaḥī. Antsoin' ny Sonita hoe Imam Malik izy, ary fantatra amin' ny anarana hoe Imam dar al-Hijrah na Imam an' i Medina.
Ny fampianarany no fototra ara-dalàna sy ara-tenim-pinoan' ny sekoly malekita, izay anisan' ny sekolin-dalàna efatra amin' ny sonisma.
Tena hajaina eo amin' ny manam-pahaizana mozilmana ny asasoratr' i Malik izay anisan' ny mitana anjara toerana lehibe eo amin' ny sehatry ny didy zary lalàna sy ny fanangonana hadita ary ny tenim-pinoan' ny silamo. Izy no mpanoratra ny boky Al-Muwatta, asasoratra izay mametraka ny fototry ny fandalinana ny fampianarana sy ny asan' ny Mpaminany silamo sady nametraka ny fomba fiasa sôsiôlojika amin' ny sivilizasiôna silamo.
Noderain' ny mpiara-belona taminy sy ny manam-pahaizana nanaraka azy ny asan' ny Imam Malik. Ho an' ny Malikita sy ny mpanoratra maro hafa, ny Al-Muwatta dia ao anatin' ny Kutub al-Sittah, izay fitambaran' ny asasoratra enina heverin' ny manam-pahaizana sonita ho boky azo itokisana (sahih). Noho izany, nanoratra momba ny asan' i Imam Mâlik i Imam Al-Shafi'i na Ash Shafi'i:
"Ny asasoratra azo itokiana indrinda aorian' ny Bokin' Andriamanitra dia ny Muwatta an' i Malik",— Ash-Shafi'î
Jereo koa
hanovaRohy ivelany
hanova- Ao amin'i Freebase: [1]