Al-Shafi'i
Al-Chafi'i | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Al-Chafi'i | ||
Teraka | 1 Janoary 767 | ||
Maty | 1 Janoary 820 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Asa : | Tsy fantatra | ||
Fiainana manokana | |||
I Al-Shafi'i na Ash-Shafi'i dia manam-pahaizana (ulema) mozilmana sonita, mpahay lalàna, mpandala ny nentim-paharazana, teôlôjiana, asketika, teraka tamin' ny taona 767 tao Gaza (Palestina) sy maty tao Ejipta tamin' ny taona 820, ary nanomezana anarana ny sekoly (madhhab) safeista momba ny didy zary lalàna silamo (fiqh). Anisan' ny fokom-pirenena arabon' ny Quraych izy.
Amin' ny teny arabo dia atao hoe ٱلشَّافِعِيّ / al-Shāfiʿī. Atao hoe imam Al-Shafi'i, koa izy . Ny anarany feno dia أبو عبد الله محمد بن إدريس الشافعي / Abu Abdullah Muhammad bin Idris ash-Shâfi'î.
Teraka tao Gaza, Palestina tao amin' ny fokom-pianakaviana Banu Muttalib amin' ny fokom-pirenena Quraysh izy, nifindra toerana teo amin' ny faharoa taonany ary nobeazina tao Meka izy. Nipetraka tany Medina, Iemen, Bagdad any Iràka ary Ejipta izy tatỳ aoriana, ary nitsara nandritra ny fotoana ela tao Najran ihany koa.
Jereo koa
hanovaRohy ivelany
hanova- Ao amin'i Freebase: [1]