Luzón

(tonga teto avy amin'ny Luzon)

I Luzón na Luzon dia nosy ao amin' ny tapany avaratr' i Filipina izay faritan' ny Helodranon' i Babuyan ao avatratra, ny Ranomasin' i Filipina ao atsinanana, ny Helodranon' i San Bernardino ao atsimo ary ny Ranomasin' i Sina atsimo ao andrefana. Izy no nosy lehibe indrindra ao Filipina izay manana velarana 104 687 km2. Be tendrombohitra ny fatritra amorontsiraka fa ny afovoany kosa dia tany lemaka sady lonaka. Manondraka azy ny renirano Cagayan (350 km) sy Agno ary Pampanga. Hita ao koa ny farihy Laguna de Bay sy ny farihy Taal.

Ny nosy Luzon ao amin' ny Tangoro-nosy Filipina

Mpamboly ny mponina ao Luzón ka vokatra be ao ny vary, ny katsaka, ny fary, ny kafe, ny paraky ary ny akondro. Be manga sy voanio koa ao. Mivelona amin' ny jono ny mponina amorontsiraka. Ahitana harena an-kibon' ny tany toy ny volamena, ny vy, ny varahina, ny manganezy, ary ny kraomita koa ao. I Manila renivohitr' i Filipina sy i Quezon no tanana lehibe indrindra ao.

Ny teny hoe Luzon koa dia mety manondro ny iray amin' ireo vondro-nosy telo voalohany ao amin' ilay firenena. Io vondro-nosy io dia ahitana ny nosy Luzon, ny vondro-nosy Batanes sy ny vondro-nosy Babuyan any avaratra, ny vondro-nosy Polillo any atsinanana, ary ny nosy Catanduanes, Marinduque ary Mindoro, ankoatry ny hafa, any atsimo. Ampidirina ao koa ny nosy Masbate sy Palawan ary Romblon, na dia mitambatra miaraka amin' ny vondro-nosy iray hafa (ny tangoro-nosy Visayas) izy telo ireo indraindray.

Jereo koa hanova