I Manila (Lungsod ng Maynila amin’ ny fiteny tagalôgy) dia tanàna renivohitr’ i Filipina. Ny isam-poniny dia dimy ambin’ ny folo tapitrisa; ary izy no tanàna lehibe indrindra ao Filipina. Ny tanànan-dehiben’ i Manila, miisa eo amin’ ny roapolo tapitrisa mponina eo ho eo, dia anisan’ ny tanàna lehibe indrindra eto amin’ izao tontolo izao. Ny renivohi-pirenena, antsoina koa hoe Metro Manila, dia tsy ao amina renivohitra fa mizaka-tena. Ireo tanàna akaikin’ i Manila dia i Quezon City any avaratra-andrefana, i Caloocan ary i Navotas any avaratra, i San Juan ary Mandaluyong any atsinanana, ary i Makati City any atsimo.

Tantara hanova

Ny mpanjanatany espaniôla nentin’ i Miguel Lopez de Legazpi no namorona ilay tanàna. Lehiben’ ny tanànan’ i Manila ny teratany espaniôla hatramin’ ny ady amerikanina filipina amin’ ny 1898.

Tapitra tamin’ ny nandresen’ ny Amerikanina ny Espaniôla ny fanjanahantany espaniôla tao Filipina, ary tonga ny Amerikanina. Amerikanina ny mpitondra an’ i Filipina hatramin’ ny fahaleovantenany amin’ ny 1948.

Jereo koa hanova

Rohy ivelany hanova

 
Mbola ambangovangony  amin'ny resaka Filipina ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.