Ny lamba dia fitafiana nentin-mpaharazana anaovan' ny lehilahy sy vehivavy amin' ny faritra maro eto Madagasikara. Ny lamba, izay tena famantarana mampiavaka ny kolontsaina malagasy, dia misy lamba natao mahitsizoro ahodidina ny vatana. Misy karazany maro araky ny akora nanamboarana azy sy ny didiny ny lamba. Ny lamba nentim-paharazana ampiasaina amin' ny fandevenana dia matetika vita amin' ny landy sy hoditr' omby, fa ny lamba fanao isan' andro dia matetika vita amin' ny rofia, na hodi-kisoa, na landihazo na tsiraka avy amin' ny hodi-javamaniry.

Sakalava mitafy lamba arindrano sy malabary

Ny lokon' izy ireo dia manomboka amin' ny loko manja na fotsy ranoray, na mitsoriadriaka mena sy fotsy ary mainty mifandimbindimby izay hita any amin' ny ankamaroan' ny faritra eto amin' ny Nosy, ao koa ny sarisary jeômetrika miloko maitso sy manja matroka vokarin' ny tanàna sakalava sasany, na ny lamba notenomina be pitsiny maro loko fanaon' ny saranga ambony tao Imerina talohan' ny fanjanahantany. Amin' izao fotoana izao dia efa mahazatra ny mahita lamba landihazo ahitana loko sy sary vita printy na lamba vita pirinty avy any India amidy amin' ny tsena malagasy ankoatra ny vokarina eto an-toerana.

Ankoatry ny fampiasa isan' andro ny lamba amin' ny maha fitafy fototra azy, ny lamba koa dia ampiasaina amin' ny famatorana ny zaza amin' ny lamosin' ny reny mibaby na atao hefina rehefa mitondra zavatra mavesatra eo an-tampon-doha. Ampiasaina amin' ny fombafomba koa ny lamba mba handrakotra ny razana alohan' ny hametrahana azy ao am-pasam-pianakaviana, ka aorian' ny lanonana dia apetraka eo amin' ny maty ho fanajana ny fanahin' izy ireo.

Lambamena amidy

Maro ny anaran' ny lamba arakaraka ny endriny sy ny fampiasana azy, ka anisan' izany ny lambahoany (na lambahoany), ny lamba akotofahana, ny lamba mpanjaka, ny lambamena, ny lamba arindrano, ny jabo-landy, ny laimasaka, ny salaka, ny sobahia, sns.

Jereo koa

hanova