Joseph de Jésus et Marie

Joseph de Jésus et Marie dia mompera Kristianina, martiry trinitera avy ao Espaina, teraka ny 1 septambra 1880 ary maty 4 septambra 1936. I José de Jesús y Maria no fiantsoana azy amin'ny teny espaniola.

Mompera Joseph de Jésus et Marie

Biografia hanova

Teraka tany Navarniz (Vizcaya ny 1 septambra 1880 ary natao batemy ny androtr'iny ihany. Ny 16 novambra 1896 kosa no nanombohany ny novisià Trinitera tao Algorta (Vizcaya) ary ny 20 novambra 1897 no nanaovany ny voady voalohany. Tany Villanueva del Arzobispo no nianarany Filozofia (1897-1899) sy naovany voady farany ny 24 septambra 1899. Avy eo dia nanohy ny fianarana Teolojia tany Alcázar de San Juan ary nohamasinina ho pretra tany Madrid ny 28 martsa 1903. Taorian'izay dia nalefa niasa tany Cárdenas (Cuba izy ka niompana tamin'ny fampianarana (1903-1913). Taorian'izay dia voafidy ho sekretera provinsialy izy (1922-1926), ho vikary tao Belmonte (Cuenca) (1926-1929); lehiben'ny trano tao Villanueva del Arzobispo (1933 hatramin'ny taona 1936 nahafatesany).

Amin'ny maha-mpiandraikitra ny trano tao Villanueva azy dia vao mainka mitombo ny haromotan'ireo mpanani-bohitra nankahala azy: ka hatramin'ny nisamborana azy ny 22 jolay 1936 ka hatramin'ny namonoana azy dia nilan'izy ireo kisa izy ary niharan'ny herisetra isan-karasany. Ny 23 jolay dia nentina tany amin'ny opitaly iray notantanan'ireo Masera mikarakara ny Be Antitra izy satria naratran'ny bala, ary tao izy no novonoina sy notifirina tao an-damosina ny 4 septambra 1936, tamin'ny faha-56 taonany.

Martiry trinitera hanova

Martiry trinitera avy ao Espaina 1936-1937:

Jereo koa hanova