Jean de Jésus et Marie

Jean de Jésus et Marie dia mompera Kristianina, martiry trinitera avy ao Espaina, teraka ny 8 febroary 1895 ary maty 3 aprily 1937. I Juan de Jesús y María no fiantsoana azy amin'ny teny espaniola.

Mompoera Jean de Jésus et Marie.

Biografia hanova

Tao Rigoitia (Espaina) no tanana nahaterahana ary nanaovana Batemy an'i Mompera Jean de Jésus tamin'ny faha-8 febroary 1895, tao ihany koa no nandraisany ny Sakramentan'ny Fankaherezana ny 8 aogositra 1898. Ny 30 septambra 1913 no nanomboka ny fiofanana ho nôvisy tao amin'ny Sanctuaire de la Bien Aparecida (Cantabria) ary nanao ny voady voalohany ny 11 oktobra 1914. Taorian'izany dia nanao ny fianarana filôzofia sy téolojia tao amin'io sanctuaire io ihany sy tany Cordova ary La Rambla. Ny faha 18 may 1918 kosa izy no nanao ny fanoloran-tena mandrakizay tao Cordova ary ny 23 oktobra 1921 no voahosotra ho pretra tao Madrid.

Nonina tao amin'ny kôminôté trinitera tao Madrid izy nandritra ny taona maro ary anisan'ny andraikitra nosahaniny tamin'izay ny fikarakarana ny fiangonana Md Ignace de Loyola. Ireo olona nifanerasera taminy dia samy nankafy ny hatsaran'ny feony. Tsy vitan'izany fa mbola nanan-talenta amin'ny fitendrena zava-maneno indrindra fa ny lokanga. Taorian'ny fandorana ny Fiangonana Md Ignace, nataon'ireo tsy mataho-tody, mpanenjika ny finoana, tamin'ny 13 may 1936, dia voatery nandao ny kominaoté tao Madrid ny fiakambanana. Noho izany antony izany indrindra no nanendren'ny mompera Provinsialy an'i mompera Jean ho any amin'ny tranon'ny Fikambanana tao Virgen de la Cabeza.

Vao tonga tsy ela akory tany amin'ity toerana nanendrena azy vaovao anefa i mompera Jean dia efa voaroaka hiala teo ihany koa ny fikambanana trinitera ny 28 jolay 1936. Tao ireo namany hafa, voafonja noho ny finoana, dia nahazo sazy henjana 2o taona an-tranomaizina izy. Tsy arak'izany anefa no nitranga fa ny alin'ny 2 aprily 1937 dia efa nalain'ireo mpampahory tao am-ponja izy, nentina tany amin'ny fasana ao Mancha Real (Jaén) ary ny misandratr'andro ny 3 aprily 1937 dia notifirina.

Martiry trinitera hanova

Martiry trinitera avy ao Espaina 1936-1937:

Jereo koa hanova