Jakôba zanak' i Alfeo

(tonga teto avy amin'ny Jakoba zanak'i Alfeo)

I Jakôba zanak' i Alfeo na Jakôba Zandriny na Jakôba Kely dia isan' ireo mpianatr' i Jesoa roa ambin' ny folo lahy. Jiosy avy any Galilea (na Galilia) izy. Inefatra mitranga ao amin' ny Testamenta Vaovao ny anarany. Amin' ny teny grika izy dia atao hoe Ἰάκωβος / Iakōbos.

Ny anarany hanova

Atao hoe Iάκωβος ὁ τοῦ Ἁλφαίου / Iakôbos o toû Alphaiou izy amin' ny teny grika. Tsy afangaro amin' i Jakôba zanak' i Zebedio i Jakôba zanak' i Alfeo. Amin’ ny teny hebreo izy dia atao hoe יעקב בן חלפי / Ya'akov ben Halfai; amin' ny teny kôpta ⲓⲁⲕⲱⲃⲟⲥ ⲛⲧⲉ ⲁⲗⲫⲉⲟⲥ; amin' ny teny arabo يعقوب بن حلفى / Ya'qūb bin Halfā. Atao hoe koa Jakôba Zandriny (na Jakôba Kely) izy. Ny hoe Alfeo na Alphaios (grika) dia avy amin' ny anarana arameana hoe Alpai. Ny hoe Jakoba Zandriny na Jakoba Kely dia fandikana ny teny grika hoe Ἰάκωβος ὁ μίκρος / Iakōbos ho mikros (Marka 15.40). Marihina fa iandian-kevitra ny maha nanoratra epistily an' i Jakôba zanak' i Alfeo.

Jereo koa: hanova