I Simôna Zelôta dia iray amin' ireo mpianatr' i Jesoa. Tsy afangaro amin' i Simôna Petera izy. Ny hoe zelôta dia azo adika hoe "mafana fo" na "saro-piaro". Ny Asan' ny Apôstôly (Asa 1:13) sy ny Lioka (Lio 6:15) no miantso azy hoe "Simôna Zelôta" fa ny Matio (Mat 10:4) sy ny Marka (Mar 3:18) kosa dia miantso azy hoe "Simôna Kanaanita" na "Simôna Kanaaneana". Amin' ny teny grika izany dia atao hoe Σίμων ὁ Κανανίτης / Simôn o Kananitês, amin' ny teny kôpta: ⲥⲱⲙⲙⲥⲱⲙ / Sômmôm; amin' ny teny siriaka klasika kosa dia ܫܡܥܘܢ ܩܢܢܝܐ. Isan' ireo manjavozavo indrindra amin' ny Apôstôlin' i Jesoa izy. Misy soratra pseodepigrafa vitsivitsy mifandray aminy, saingy tsy nampidirin' i Masindahy Jerôma tao amin' ny boky De viris illustribus izay voasoratra teo anelanelan' ny taona 392 sy 393 taor. J.K. izany.

Jereo koa:

hanova