Jakôba ilay Marina

I Jakôba ilay Marina na Jakôba rahalahin' ny Tompo na Jakôba fotsiny dia Jiosy avy any Galilea, izay isan' ireo atao hoe rahalahy efatr' i Jesoa (na Jesosy) araka ny voalazan' ny Evanjelin' i Matio (Mat. 13.55). Tamin' ny taona 61 na 62 no nahafatesany. Mety ho izy ilay atao hoe Jakôba rahalahin' i Joda ao amin' ny Evanjelin' i Joany sy ny Evanjelin' i Matio (Joa. 1.1; Mat. 13.55), izany hoe i Joda Zelôta izay atao hoe koa rahalahin' i Jesoa ao amin' ny soratra kristiana maro hatramin' izay ka hatramin' ny taonjato faha-6. Izy roa ireo dia lazaina koa fa rahalahin' i Simôna Zelôta. Miady hevitra ny amin' ny maha apôstôly an' i Jakôba ilay Marina anefa ny mpahay tantara, izay mihevitra fa tokony tsy hampitovina amin' i Jakôba zanak' i Alfeo izy.

Jakôba ilay Marina

Nisahana anjara asa lehibe tamin' ny fitarihana i Jakôba ilay Marina teo amin' ny lafiny fanelanelanana ny fifanolanana nisy nandritra ny Kônsily natao tao Jerosalema sy ny fandrindrana ny asan' ny Apôstôly sy ny an' ireo mpitoriteny mitety vohitra. Ny fandroahana ny mpisoronabe Hanan ben Hanan (vao avy notendrena) izay nampamono azy dia azo heverina fa manambara ny maha olona nanana ny maha izy azy teo amin' ny fiarahamonina tao Jerosalema.

Tsy dia nisongadina firy izy teo amin' ny lovantsofina kristiana, indrindra teo amin' ny Fiangonana latina tandrefana, angamba noho ny filazana azy ho rahalahin' i Jesoa (na Jesosy) izay tsy mifanaraka amin' ny foto-pampianarana ny amin' ny maha virijiny mandrakizay an' i Maria renin' i Jesoa. Noho izany dia noheverina ho zana-kavan' i Maria na i Jôsefa izy. Tamin' ny faran' ny taonjato faha-4, taorian' ny Kônsily natao tao Nikea, dia nanao tolo-kevitra ny hiheverana an' i Jakôba ilay Marina ho zanak' i Maria avy any Klôpasy i Hierônimo (Jerôma). Ampitovina amin' i Jakôba Zandriny i Jakôba ilay Marina, nefa izany vahaolana izany dia tsy noraisin' ny Fiangonana tatsinanana.

Ny lovantsofina dia manao an' i Jakôba ilay Marina ho ilay nanoratra ny Epistilin' i Jakôba izay midera ny malahelo sady manambara ny ho fangovitan' ny manan-karena.

Jereo koa hanova