Isidôro avy any Sevila

(tonga teto avy amin'ny Isidoro avy any Sevila)

I Isidôro avy any Sevila, na Isidôro fotsiny, dia arseveka tao Sevila any Espaina teo anelanelan' ny taona 601 sy 636. Teraka tao Kartagena tamin' ny taona 560 izy ary maty tao Sevila tamin' ny 04 Avrily 636. Atao hoe Isidorus Hispalensis izy amin' ny teny latina.

I Isidoro avy any Sevila

Nianatra tamin' ny mônastera izy, izay notarihin' ny rahalahiny atao hoe Leandro nodimbiasiny amin' ny maha arsevekan' i Sevila. Nandray anjara tamin' ny fampiraisana ny Fiangonan' i Espaina izy tamin' ny nanaovany ho Kristiana "mpanaraka ny fampianarana marina" (ôrtôdôksa) ny Visigôty, izay vahoaka resin' i Espaina tamin' ny taonjato faha-5 sady vahoaka nandray ny arianisma. Nitarika kônsily maro izy, ka anisan' izany ny kônsily tao Toledo tamin' ny taona 633, izay nanapahana ny fikambaran' ny Fiangonana sy ny Fanjakana, ny fanorenana sekolin' ny eveka isaky ny diôsezy ary ny fampiraisana ny fanao amin' ny litorjia.

Niezaka nanangona ny fahalalana ivelan' ny fivavahana sy ara-pivavahana tamin' ny androny izy tao amin' ny raki-pahalalàna nosoratany misy boky roapolo atao hoe Etymologiae ("Fiforonan-teny" na "Fiandohana"). Tamin' ny Andro Antenatenany izany boky izany dia lasa fitaovam-pianarana safidin' ny mpianatra indrindra sady izany no asasoratra filamatra nandritra ny taonjato maro. Maro koa ny boky nosoratany momba ny teôlôjia, momba ny Soratra Masina, momba ny siansa, ny fitsipiteny, ny haikintana, ary momba ny tantara.

Jereo koa hanova