Ny mônastera dia fitambarana tranobe misy fikambanana moanina na monka, lahy na vavy, izay hita ao amin' ny fivavahana kristiana sy bodista. Noho ny fandaminana misy ao aminy dia azo lazaina hoe abey izy ireo raha tarihin' ny abe, na priôry raha tsy dia misy lanjany loatra. Matetika ny priôry dia miankina amin' ny abey na amin' ny mônastera hafa.

Mônastera Masindahy Panteleimôna, eo amin' ny Saikanosin' ny Tendrombohitra Athos (Grisia)