Hindoisma eto Madagasikara

(tonga teto avy amin'ny Hindoisma ao Madagasikara)

Ny hindoisma eto Madagasikara dia fivavahana avy any India ka ny mpanaraka azy dia saika ireo ataon'ny Malagasy hoe Karàna izay raha ny tena marina dia Indiana, na dia tsy Hindoa avokoa ny Indiana monina eto Madagasikara.

Fidirany teto MadagasikaraHanova

Ny tantaran'ny hindoisma eto Madagasikara dia nanomboka tamin'ny nahatongavan'ireo Indiana Gojaraty voalohany avy any amin'ny faritr'i Saorashtra any India tamin'ny taona 1870 tany ho any, tamin'i Madagasikara mbola nozanahan'ny Frantsay. Amin'ireo mpiavy ireo dia ny Silamo no betsaka (dia Khoja[1] sy Ismailý na Ismaeliana[2] ary Daodý Bohra[3]) fa ny Hindoa kosa dia vitsy[4].

Amin'izao fotoana izaoHanova

Ny International Religious Freedom Report 2006 dia nitatitra fa ahitana Hindoa vitsy eto Madagasikara[5]. Ny ankamaroany dia mpandraharaha moninana eto Madagasikara efa misy taranaka maro nifandimby. Ny ankamaroany dia miteny hindý na gojaraty, fa ny sasany kosa miteny amin'ny fiteny indiana hafa. Amin'izao fotoana izao dia miteny amin'ny fiteny telo fara-fahavitsiny ireo taranaka taty aoriana, ka isan'ireo fiteny ireo ny fiteny frantsay sy anglisy sy gojaraty ary malagasy.

Jereo koa:Hanova

Rohy anatinyHanova

Rohy ivelanyHanova

Loharano sy fanamarihana:Hanova

  1. Ny Khoja na Koja dia ilazana ireo mponina niova finoana ho Silamo ao India sy Pakistàna.
  2. Ny Ismaeliana na Ismailỳ dia ilazana sampana iray ao amin'ny Finoana silamo shiita.
  3. Sampan'ny Finoana silamo shiita ny Daodý Bohra.
  4. NRI (PDF) Tahiry tamin'ny 06/02/2012.
  5. "International Religious Freedom Report 2006" Tahiry tamin'ny 21/01/2012 ao amin'ny U.S. Department of State