Ny ismaelisma na ismailisma dia firehan' ny siisma, sampan' ny fivavahana silamo, izay niseho tamin' ny taonjato faha-8. Ny mpino ao amin' io fivavahana io dia atao hoe Ismaeliana na Ismailiana na Ismaily (amin' ny teny arabo: اسماعيلي / ismā`īlī). Anarana avy amin' ny anaran' ny imama fahafiton' ny siisma, atao hoe Ismaïl ben Jafar izany. Tsy vahoaka persàna na arabo na indiana ihany no manaraka ny firehana ismaeliana. Mizara ho sampana madinika maro ny ismaeliana, dia ny Mobarakià, ny Katabià, ny Karmata, ny Droza, ny Mostaliana, ny Nizarita ary ny Septimana). Na dia manakaiky ny sonisma aza ny fivavahan' ny Ismailiana dia atao hoe batiniyya izy noho ny fandalany fahalalana miafina (ezôterisma).

Jereo koa

hanova