I Heroda Antipasy na Heroda Antipatera dia tertrarkan'i Galilea sy i Perea (faritra ao avaratra-antsinanan'ny Ranomasina Maty, ao atsinanan'i Jordàna) tamin'ny taona 4 tal. J.K. hatramin'ny taona 39 taor. J.K., zanak'i Heroda Lehibe sy ilay vehivavy samaritana atao hoe Maltake, vady fahefany. Teraka tamin'ny taona 21 tal. J.K. izy ary maty tamin'ny taona 39 taor. J.K. Atao hoe Ἡρῴδης Ἀντίπατρος / Hêrôdês Antipatros izy amin'ny teny grika fa הורדוס אנטיפס kosa amin'ny teny hebreo.

I Heroda Antipasy no nanamboatra ny tananan'i Tiberiasy na Tiberiada izay miorina eo amorona atsinanan'ny farihin'i Galilea, mba ho fanomezany voninahitra ny emperora Tiberio.

Nanambady vehivavy nabateana atao hoe Fasaelisy, zanak'i Aretasy IV, mpanjakan'i Nabatea avy any Petra, i Heroda Antipasy, nefa nisarahany io mba hanambadiany an'i Herodiada na Herodiasy, zanaky ny rahalahiny atao hoe Aristobola IV izay tsy iray reny aminy. Tamin'izany dia vadin'ny rahalahy tsy iray reny amin'i Heroda Antipasy, atao hoe Heroda Boetosy (atao hoe Heroda Filipo), i Herodiada izay nandao an'i Heroda Boetosy mbola velona, ka niteraka fahatafintohinana izany ka nahatonga ady ara-tafika teo amin'i Heroda Antipasy sy i Aretasy IV rafozany. I Herodiada no renin'i Salome izay resahina ao amin'ny Evanjelin'i Marka (Mar. 6.14-29) fa antony nahatapa-doha an'i Joany Batista noho i Joany nitsikera izany fanambadian'i Heroda Antipasy an'i Herodiada izany.

Resin'i Aretasy IV rafozany i Heroda Antipasy tamin'ny ady namoizany ny tafika nentiny. Nanolo-tsaina an'i Heroda Antipasy handeha any Roma hangataka ny anaram-boninahitra mpanjaka amin'ny emperora Kaligola i Herodiada. Naongan'ny emperora Kaligola izy tamin'ny taona 39 taor. J.K. Tezitra noho ny fanararaotam-pahefana nataon'i Antipasy ny Romana ka tapa-kevitra ny hanao sesitany azy any antsimon'i Galia (latina: Gallia; i Frantsa ankehitriny) any Logdonoma (i Lyon any Frantsa ankehitriny izany). Nanaraka azy tany i Herodiada.

I Heroda Antipasy no niandraikitra ny Tempoly tamin'i Jesosy nohelohina ho faty tao Jerosalema, tanàna ao Jodea izay tsy notapahin'ny Romana mivantana. Araka ny Evanjelin'i Lioka (Lio. 23.7-15) dia tany amin'i Heroda Antipasy no nandefasan'i Pontio Pilato an'i Jesosy.