Fanjakana nabateana
Ny Fanjakana nabateana na Fanjakan'i Nabatea na Nabatea fotsiny dia fanjakana tao amin'ny ampahan'ny faritra misy an'i Jordania, i Siria, i Arabia Saodita, i Egipta, i Palestina ary i Israely ankehitriny. Nahaleo tena izy hatramin'ny taonjato faha-4 tal. J.K. ka hatramin'ny taona 106 taor. J.K. izay nahalasa zanatany romana azy ka niantsoana azy hoe Arabia. Ny tanàna atao hoe Petra no renivohiny.