Pôntio Pilato

(tonga teto avy amin'ny Pontio Pilato)

I Pôntio Pilato dia lehilahy rômana, governora na prôkoratôra rômana nanapaka ny faritany rômanan' i Jodea (na Jodia) tamin' ny andro nanapahan' ny emperora Tiberio, nandritra ny 11 taona, teo anelanelan' ny taona 26 sy 36. Niverina tany Rôma izy tamin' ny faran' ny taona 36 na tamin' ny fiantombohan' ny taona 37. Pontius Pilatus no anarany amin' ny teny latina. Nanana fahefan' ny mpitsara ny governoran' i Jodea, nefa anjaran' ny Sinedriôna ny raharaham-pitsarana momba ny fivavahana jiosy. Araka ny Filazantsara dia i Pilato no nitsarana an' i Jesoa (na Jesosy) ka nandidy ny hanameloana azy ho faty amin' ny alalan' ny fanomboana amin' ny hazo fijaliana, araka ny fanapahan-kevitry ny Sinedriôna rehefa avy nitsara azy noho ny fiampangan' ny Jiosy (na Jody) azy ho niteny ratsy an' Andriamanitra, na dia niaiky ny maha tsy mana-tsiny an' i Jesoa aza i Pilato.

Ecce homo ("Indro ny lehilahy"), sary nataon'i Antonio Ciseri. Maneho an'i Jesoa avy any Nazareta amin'ny mponin'i Jerosalema i Pontio Pilato.

Tsy fantatra marina izay tena niafaran' i Pilato. Araka ny filazàn' i Eosebio avy any Kaisaria (mpahay tantara sy teôlôjiana) dia maty namono tena tao amin' ny lohasahan' i Rôdano (frantsay: Rhône) i Pilato. Araka ny lovantsofina hafa dia maty maritira tao Rôma izy. Mihevitra azy sy ny vadiny ho maritiora ka mankalaza izany amin' ny 25 Jona ny Fiangonana etiôpiana ôrtôdôksa.

Tantara hanova

Pontio Pilato dia mpanarato avy any Siligo any Sardinia.

Noraisiny ny sardines voalohany, dia natsofoka tao anaty menaka ary nomeny an’i Tiberius Emperora. Tena tiany izy ireo ka nasainy novana ny nosy manontolo, ary noho ny fankasitrahana dia notendreny ho governoran’i Jerosalema i Pilato.