Galatiana (vahoaka)

Ny Galatiana na Galatianina na Galata dia vahoaka keltika (na selta) nonina tany Galatia, faritra ao afovoan' i Anatôlia manodidina an' i Ankara ankehitriny, nandritra ny vanim-potoana grika. Niteny amin' ny fiteny galatiana izy ireo, izay nifandray akaiky amin' ny fiteny gaoloà, izay anisan' ny fiteny seltika tamin' ny androny. Amin' ny teny grika taloha izy ireo dia atao hoe Γαλάται / Galátai; fa amin' ny teny latina kosa dia atao hoe Galatae, Galati na Gallograeci; amin' ny teny grika ankehitriny kosa dia atao hoe Γαλάτες / Galátes, izany hoe Gaoloà.

Sarintany ahitna an' i Galatia (miloko mena)

Ny Galatiana dia taranaky ny Selta (na Keltika) izay nanafika an' i Gresy (na Grisia) tamin' ny taonjato faha-3 tal. J.K. Tonga namakivaky an' i Traka ny mponin' i Galatia tany am-boalohany teo ambany fitarihan' i Leogarios sy i Leonnorios tamin' ny manodidina ny taona 278 tal. J.K. Ny ankamaroany dia avy amin' ny fokom-pirenena gaoloà telo, dia ny Tectosagii sy ny Trocmii ary ny Tolistobogii, nefa nisy fokom-pirenena kely hafa koa. Lasa faritanin' ny Empira Rômana i Galatia, tamin' ny taona 25 tal. J.K., ka i Ankyra (Ankara ankehitriny) no renivohiny.

Tamin' ny taonjato voalohany taor. J.K. dia maro ny Galatiana no lasa kristiana vokatry ny asa fitoriana nataon' i Paoly Apôstôly. Ny Epistily ho an' ny Galatiana nosoratan' i Paoly dia miantefa amin' ny fiangonana kristiana tany Galatia ary voatahiry ao amin' ny Testamenta Vaovao.

Jereo koa hanova