Ny fively dia fitaovana misy tahony sy lohany izay samy vita amin' ny hazo matetika, nefa koa mety ho vita amin' ny fingotra na plastika sns, izay natao hivelezana fandraka na fitaovana hafa. Ity endriny miavala ity dia ahafahan' ilay fitaovana velezina aminy (ohatra ny fandraka) hiditra ao amin' ny akora asaina (vato, hazo, sns.) tsy fihontsonana mety hanimba io akora io. Misy koa ny fively vita amin' ny varahina, amin' ny varahimavo, amin' ny firamainty, amin' ny viraty, arakaraka ny akora ny ny zavatra tiana hovelezina aminy. Atao hoe fively fandraka izy raha fandraka no natao hovelezina aminy.

Fivelin' ny mpandrafitra

Jereo koa

hanova