Fiteny singaley
Ny fiteny singaley (සිංහල / sinhala) dia fiteny an'ny vondrona indô-arianin'ny fiteny indô-eorôpeanina. Any Sri Lanka izy no teny ofisialy satria maherin'ny 70%-n'ny olona mipetraka any no miteny singaley. Ny singaley dia fitenin'ny vahoaka sri-lankey any Azia Andrefana, an Aostralia, any Eoropa (Angletera, Frantsa, Italia) ary any Amerika Avaratra, ny tontalin'ny mpiteny singaley dia 19 tapitrisa eo ho eo. Ny fiteny singaley dia nindrana teny amin'ny fiteny pāli, amin'ny fiteny sanskrity sy amin'ny fiteny tamily, ary hatry ny taonjato faha-16, amin'ny fiteny portogey, amin'ny fiteny neerlandey ary amin'ny fiteny anglisy.
Sinhala | ||||
---|---|---|---|---|
සිංහල siṁhala | ||||
Tenenina any | Sri Lanka | |||
Total speakers | 19 million | |||
Ranking | 60 | |||
Language family | Indo-European | |||
Writing system | Sinhala abugida (developed from the Brahmi) | |||
Official status | ||||
Official language in | Sri Lanka | |||
Regulated by | No official regulation | |||
Language codes | ||||
ISO 639-1 | si | |||
ISO 639-2 | sin | |||
ISO 639-3 | sin | |||
|
Fiavian'ilay anaranaHanova
Ny hoe sinhala dia avy amin'ny fiteny sanskrity; ny amin'ny fiteny indianina afovoany iey dia atao hoe sīhala; amin'ny fiteny silgaley ankehitriny dia heḷa na eḷu. Ny fiteny sanskrity sy ny fiteny indianina afovoany dia manana teny midika hoe "liona", dia ,ny hoe siṃha sy sīha. Araka ny fedrà, i Sinhabahu na Sīhabāhu dia zanaky ny andriambavy Vanga sy liona iray. Namono ny rainy izy ary lasa mpanjakan'i Vanga. Ny zanany Vijaya dia nifindra tany atsimon'i India mba ho lasa razan'ny Singaley ankehitriny. Raha raisina an'isa ny porofo ara-piteny, ny anaran'ny mponina dia midika hoe "liona".