Ny fiteny mansy na fiteny vôgola dia fiteny ao amin' ny vondrona ôb-ogriana (miaraka amin' ny fiteny kanty) ao amin' ny fianakaviam-piteny finô-ogriana. Mifandray akaiky amin' ny fiteny hôngroà ny fiteny mansy sy ny fiteny kanty, izay miaraka mamorona ny sampana ogriana ao amin' ny fianakaviam-piteny finô-ogriana. Ny fiteny mansy no fiteny nibeazan' ny ampahany amin' ny Mansy, izay vahoaka any amin' ny tapany avaratra-abdrefan' i Siberia, any Rosia, monina indrindra eo amoron' ny reniranon' i Sosva sy Konda ary ny sakeli-dranon' izy roa ireo. Tombanana ho 938 ny isan' ny mpiteny mansy.

Ny fiteny mansy dia mizara ho fitenim-paritra efatra lehibe. Ny fitenim-paritra avaratra no tena be mpampiasa indrindra, izay iorenan’ ny fiteny soratana. Ao koa ny fitenim-paritra atsinanana (na fitenin' i Konda), ny fitenim-paritra andrefana sy ny fitenim-paritra atsimo (na fitenin' i Tavda). Ireo roa farany ireo dia efa lany tsy misy mpiteny.

Jereo koa hanova