Fiteny ôb-ogriana

Ny fiteny ôb-ogriana dia vondron' ny fiteny roa, ny fiteny mansy (na fiteny vôgola) sy ny fiteny kanty (na fiteny ôstiaka), izay tenenina ao Rosia, eo anelanelan' ny ony Ob sy ny ony Irtysh ary ny ony Urals. Izy ireo no fiteny velona mifandray akaiky indrindra amin' ny fiteny hongariana (na fiteny hôngroà), miaraka ao amin' ny sampana ogrianan' ny fianakaviam-piteny oraliana.

Efa ela no nisaraka tamin' ireo fiteny roa ireo ny fiteny hongariana, hany ka lehibe ka tsy mamela ny mpiteny hongroà hahazo ny ny fiteny kanty na ny fiteny mansy ny fahasamihafana eo amin' ny fandrafetana fehezanteny sy ny voambolana ary ny fanononana. Mifanakaiky ihany ny fiteny mansy sy ny fiteny kanty, nefa izany fifanakekezana izany dia tsy ampy hisian' ny fifankahazoam-piteny eo amin' ny mpiteny kanty sy ny mpiteny mansy.

Nandray singa maro avy amin' ny fianakaviam-teny torkika ny fiteny ôb-ogriana, indrindra fa avy amin' ny fiteny tatara. Hatramin' ny taona 1930 dia tsy nisy ny tsipelina na literatiora. Nanomboka tamin' ny taona 1937, dia nampiasaina ny abidy sirilika nasiam-panovana kely, nefa vitsy dia vitsy ny zavatra voasoratra. Tsy fiteny ôfisialy ny fiteny kanty sy ny fiteny mansy. Manana mpiteny miisa 3 800 eo ho eo ny fiteny mansy, fa ny fiteny kanty kosa manana mpiteny miisa 14 380, izay samy monina any Rosia avokoa.