I Aostrônezia dia faritra midadadasika ahitana nosy maro ao amin' ireo ranomasina atsimon' izao tontolo izao, ka isan' ireo nosy ireo i Melanezia, i Pôlinezia, i Mikrônezia, i Indônezia, i Madagasikara ary i Taioàna. Ny mponina ao amin' io faritra io dia tompon' ny fianakaviam-piteny aostrôneziana. Atao hoe Aostrôneziana ireo mponina ireo.

Faritra onenan' ny Aostrôneziana sy ny mety hiitaran' izany atsy ho atsy (Blench, 2009)