Ny fiteny faliska dia fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny italika, izay nampiasain' ny vahoaka Faliska (Falisci) tamin' ny Andro Taloha tany amin' ny faritr' i Rôma. Mifandray akaiky amin' ny fiteny latina, izay nahaforona ny vondrona latinô-faliska, dia natelin' ity farany tsikelikely talohan' ny nanjavonany tamin' ny manodidina ny taona 150 tal. J.K.

Jereo koa hanova