Ny fiteny horita na fiteny horiana dia fitenin' ireo Horita (na Horiana na Korita) izay mponina niditra tao avaratr' i Mesôpôtamia nanodidina ny taona 2300 tal. J.K. ary nanomboka tsy hita intsony manodidina ny taona 1000 tal. J.K. Fitenin' ny fanjakan' i Mitaný tao amin' ny tapany avaratr' i Mesôpôtamia ny fiteny horita ary mety notenenina koa tamin' ny voalohany tao amin' ny misy an' i Siria ankehitriny izay nonenana Horita koa. Heverin' ny maro fa ny mponina niteny an' io fiteny io dia mety avy amin' ireo faritra avo any Armenia ka niparitaka any amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Anatôlia sy ao amin' ny tapany avaratr' i Mesôpôtamia tamin' ny fiantombohan' ny taonarivo faha-2 tal. J.K.

Tanimanga nanoratan' ny mpanjaka horita Atalshen (mpanjakan' i Urkish sy Nawar) ho an' ny andriamanitra Nergal, manodidina ny taona 2000 tal. J.K.
Faritra nonenan' ny vahoaka horita

Tsy anisan' ny fiteny semitika ny fiteny horita fa sokajina ao amin' ny fianakaviam-piteny horô-orartiana. Misy anefa ireo manampahaizana te hanasokajy ao amin' ny fianakaviam-piteny kaokaziana avaratra-atsinana, indô-eorôpeana, na koa kartveliana.

Jereo koa: hanova