Ny fiteny amôrita na fiteny amôreana dia fiteny semitika notenenin' ny vahoaka amôrita izay nonina tao Siria, tao Mesôpôtamia Ambony sy Ambany teo anelanelan' ny fiafaran' ny taonarivo faha-3 tal. J.K. sy ny fiantombohan' ny taonarivo faha-2 tal. J.K. Somary ntaolontaolo kokoa ny fiteny amôrita raha heverina ny fomba fanononan-javatra izay manakaiky ny an' ny fiteny akadiana. Ny fifanahafan' ny voambolany amin' ny an' ny fiteny hebreo sy ny fiteny arameana na ny fiteny ogaritika no anasokajiana ny fiteny amôrita ho fiteny kanaanita (na kanaaneana).

Jereo koa: hanova