Fiteny eve
(tonga teto avy amin'ny Fiteny ewe)
Ny fiteny eve na fiteny eoe (eʋe [e'βe]) dia fiteny ampiasain' ny olona 5 hatramin' ny 7 tapitrisa[1] eo ho eo any Afrika Andrefana, indrindra any Ganà sy any Tôgô. Ao amin' ny Fitohizam-piteny gbe (tenenina ao Ganà, ao Tôgô, ao Benîno ary ao Nizerià) ao amin' ny fianakaviam-piteny ny fiteny eve.
Ny fiteny gbe lehibe hafa dia ny fiteny fôna, izay ampiasaina indrindra any Benîno. Tahaka ny fiteny afrikanina maro, ny fiteny eve dia misy lantom-baninteny ary mety ho mpikambana ao amin' ny fianakaviam-piteny nizerô-kôngôley.
Abidy
hanovaMampiasa ny abidy latina ny fiteny eve, miampy litera maro. Misy sasany avy amin' ny litera IPA (API)
Lohatsoratra | A | B | D | Ɖ | Dz | E | Ɛ | F | Ƒ | G | Gb | Ɣ |
Zanatsoratra | a | b | d | ɖ | dz | e | ɛ | f | ƒ | g | gb | ɣ |
Lantom-peo | /a/ | /b/ | /d/ | /ɖ/ | /d͡z/ | /e/ | /ɛ/ | /f/ | /ɸ/ | /ɡ/ | /ɡ͡b/ | /ɣ/ |
Lohatsoratra | H | I | K | Kp | L | M | N | Ny | Ŋ | O | Ɔ | P |
Zanatsoratra | h | i | k | kp | l | m | n | ny | ŋ | o | ɔ | p |
Lantom-peo | h/ | /i/ | /k/ | /k͡p/ | /l/ | /m/ | /n/ | /ɲ/ | /ŋ/ | /o/ | /ɔ/ | /p/ |
Lohatsoratra | R | S | T | Ts | U | V | Ʋ | W | X | Y | Z | |
Zanatsoratra | r | s | t | ts | u | v | ʋ | w | x | y | z | |
Lantom-peo | /l/ | /s/ | /t/ | /t͡s/ | /u/ | /v/ | /β/ | /w/ | /x/ | /j/ | /z/ |
Misy tilda (~} eo ambon' ny zanapeo rehefa an' orona ny zanapeo (ã, ĩ, ũ, ẽ, õ, ɛ̃, ɔ̃)
Jereo koa
hanova
|