Fiteny ao Nizerià

Ny fiteny ao Nizerià dia miisa 525 na mihoatra. Ny fiteny ôfisialy sy ny lingua franca be mpampiasa indrindra dia ny fiteny anglisy, izay fitenin' i Nizerià faha fanjanahan-tany. Ny pijiny nizeriana – izay fiteny kreôla miorina amin' ny fiteny anglisy – dia ampiasain' ny olona manodina ny 30 tapitrisa any Nizerià.

Sarintanin' ny fiteny any Nizerià sy ny firenena manodidina (Kamerona sy Benîno)

Ny fitenim-pirenena lehibe indrindra, raha jerena ny isan' ny mponina mampiasa azy, dia ny fiteny haosa (80 tapitrisa mahery raha ampidirina ny manao azy ho fiteny faharoa), ny fiteny iôroba (54 tapitrisa mahery, anisan' izany ny mampiasa azy ho fiteny faharoa), ny fiteny igbô (42 tapitrisa mahery, anisan' izany ny mpampiasa azy ho fiteny faharoa), ny fiteny efika-ibibiô miparitana (mihoatra ny 15 tapitrisa), ny fiteny folany (13 tapitrisa), ny fiteny kanory (5 tapitrisa), ny fiteny tiva (5 tapitrisa), ny fiteny nope (3 tapitrisa) ary eo amin' ny 2 ka hatramin' ny 3 tapitrisa eo ho eo ny mpampiasa ny fiteny karay-karay, ny fiteny kakanda, ny fiteny edô, ny fiteny igalà, ny fiteny idôma ary ny fiteny izôna.

Ny fahasamihafan' ny fiteny ao Nizerià dia tontolo kely amin' ny ampahany be amin' i Afrika amin' ny ankapobeny, ary io firenena io dia ahitana fiteny avy amin' ny fianakaviam-piteny telo lehibe amin' ny fiteny afrikana: ny fianakaviam-piteny afrôaziatika, ny fianakaviam-piteny nilô-sahariana ary ny fianakaviam-piteny nigerô–kôngôley. Manana fiteny maromaro mbola tsy voasokajy ihany koa i Nizerià, toy ny fiteny jalaa, izay mety sisa tavela amin' ny fahasamihafana lehibe kokoa talohan' ny fiparitahan' ny fianakaviam-piteny ankehitriny.