Fiteny baritô
Ny fiteny baritô na fiteny baritô lehibe dia vondrom-pitenin' ny sampana malaiô-pôlineziana ao amin' ny fiteny aostrôneziana. Avy amin' ny anaran' ny renirano Barito ao amin' ny nosy Bôrneô i anarana io. Misy fiteny miisa 33 ao amin' io vondrona io izay mitsinjara ho sokajy 4 toy izao:
- ireo fiteny baritô-mahakama: miisa 2;
- ireo fiteny baritô andrefana: miisa 5;
- ireo fiteny baritô atsinanana: miisa 18, ka isan' izany ny fiteny maaniany ao Kalimantan Atsimo sy ny fiteny malagasy eto Madagasikara sy ao Kômôro (fiteny kibosy).
- ireo fiteny sama-bajao: miisa 8.
Fanasokajiana anatiny
hanovaFiteny baritô-mahakama
hanovaAo amin' ny nosy Bôrneô, ao Kalimantan any Indônezia no ahitana ny mpiteny amin' ireo fiteny baritô-mahakama ireo. Ireto avy ireo fiteny ireo:
- fiteny amapananga,
- fiteny tonjonga.
Fiteny baritô andrefana
hanovaAo amin' ny nosy Bôrneô, ao Kalimantana any Indônezia ihany koa no ahitana ny mpiteny amin' ireo fiteny baritô andrefana ireo. Ireto avy ireo fiteny ireo:
- fiteny kôhina,
- fiteny ôt danoma,
- fiteny sianga,
- fiteny bakompay
- fiteny ngajo daiaka.
Fiteny baritô atsinanana
hanovaTenenina ao amin' ny nosy Bôrneô, ao Kamimantan any Indônezia, ao Maiôty ary eto Madagasikara ireo fiteny ireo. Ireto avy izy ireo:
Fiteny atsimo-afovoany
hanova- fiteny dosona deiaha,
- fiteny dosona malanga,
- fiteny dosona oito,
- fiteny maaniany,
- fiteny pako.
Fiteny malagasy
hanova- fiteny bara,
- fiteny betsimisaraka avaratra,
- fiteny betsimisaraka atsimo,
- fiteny masikoro,
- fiteny merina,
- fiteny sakalava,
- fiteny kibosy (tenenina ao Maiôty),
- fiteny antandroy-mahafaly,
- fiteny antanosy
- fiteny antakarana,
- fiteny tsimihety,
Fiteny avaratra
hanova- fiteny laoangana,
- fiteny tabôiana
Fiteny sama-bajao
hanovaNy fiteny sama-bajao dia teenin' ny vahoaka bajao. Miparitaka amin' ny veleran-tany midadasika hatrany Luzon (izay itenenana ny fiteny abaknôna) hatrany Timor andrefana. Ny foiben' ny vahoaka bajao dia ao amin' ny tangoro-nosy Sulu sy ao amin' ny morontsiraka avarara-atsinanana any Bôrneô, ary any Minahasa koa.
- fiteny abaknôna
- fiteny balangingy sama
- fiteny sama afovoany
- fiteny pangotarana sama
- fiteny sama atsimo
- fiteny iakàna
- fiteny mapona
- fiteny bajao amin' ny morontsiraka andrefana
- fiteny bajao indôneziana