Firaisan' ny Repoblika Sôsialista Sôvietika

(tonga teto avy amin'ny Firaisana Sovietika)

Ny Firaisan' ny Repoblika Sôsialista Sôvietika (FRSS), na Firaisana Sôvietika dia fanjakana federaly, nahitana repoblika sôsialista sôvietika 15, izay nisy nanomboka tamin' ny 30 Desambra 1922 hatramin' ny faharavany tamin' ny 26 Desambra 1991. Môskoa no renivohitra.

Sainan' ny Firaisana Sôvietika
Ny Firaisana Sôvietika eo anivon' izao tontolo izao

Atao hoe Союз Советских Социалистических Республик / Soyuz Sovietskikh Sotsialistichestikh Respublik izy amin' ny teny rosiana, izay midika ara-bakiteny hoe "Firaisan' ny Repoblika Sôsialistan' ny Mpanolotsaina".

Iray ampahenin' ny velarana manontolon' ny tany maina ilay firenena izay nidadasika indrindra teto amin' izao tontolo izao. Nandova ny tanin' ny Empira Rosiana izy, afatsy i Finlandy sy i Pôlônia izay lasa firenena mahaleotena taorian' ny ady an-trano rosiana tamin' ny taona 1918 hatramin' ny 1921.

Amin' ny maha fanjakana lehibe indrindra teto amin' izao tontolo izao azy, ny Firaisana Sôvietika dia nameno ny ampahenin' ny velaran' ny tany maina sady nivelatra amin' ny hasin' ora iraika ambin' ny folo, manomboka amin' ny Ranomasina Baltika sy ny Ranomasina Mainty ka hatrany amin' ny Ranomasimbe Pasifika, izany hoe ny tapany avaratra-atsinanan' I Eorazia. Izy no ampahany be amin' ny tanin' ny Empira Rosiana teo aloha, tsy misy an' i Pôlônina sy Finlandy nahaleo tena nanomboka tamin' ny ady an-trano rosiana tamin' ny taona 1918 hatramin' ny 1921, ary nitombo vokatry ny fahazoana tany tamin' ny vanim-potoana staliniana tany Eorôpa Atsinanana sy tany Azia Atsinanana, teo anelanelan' ny taona 1939 sy 1945.

Ny tanim-pirenen' ny Firaisana Sôvietika, noho izany, dia nivoatra rehefa nandeha ny fotoana, indrindra nandritra sy taorian' ny Ady Lehibe Faharoa. Ny Firaisana Sôvietika dia voaforona repoblika federe (izay niovaova ihany koa ny isan' izy ireo rehefa nandeha ny fotoana) izay nanjary nahaleo tena tamin' ny faharavàn' ny Firaisana Sôvietika — nefa mbola mitoetra, amin' ny ankapobeny, mifandray ao anaty fikambanana isan-karazany — ary koa repoblika maromaro sy faritra mizaka tena.

Sarintanin' ny Firaisana Sôvietika teo anelanelan' ny taona 1956 sy 1991. (1) Repoblika Sôsialista Federativa Sôvietikan' i Rosia. (2) Repoblika Sôsialista Sôvietikan' i Okraina (3) Repoblika Sôsialista Sôvietikan' i Bielôrosia (4) Repoblika Sôsialista Sôvietikan' i Ozbekistàna (5) Repoblika Sôsialista Sôvietikan' i Kazakstàna (6) Repoblika Sôsialista Sôvietikan' i Jeôrjia (7) Repoblika Sôsialista Sôvietikan' i Azerbaijàna (8) Repoblika Sôsialista Sôvietikan' i Litoania (9) Repoblika Sôsialista Sôvietikan' i Môldavia (10) Repoblika Sôsialista Sôvietikan' i Letônia (11) Repoblika Sôsialista Sôvietikan' i Kirgizistàna (12) Repoblika Sôsialista Sôvietikan' i Tajikistàna (13) Repoblika Sôsialista Sôvietikan' i Armenia (14) Repoblika Sôsialista Sôvietikan' i Torkmenistàna (15) Repoblika Sôsialista Sôvietikan' i Estônia

Ny fiforonan' ny Firaisana Sôvietika dia iray amin' ny vokatry ny Revôlisiôna Rosiana tamin' ny taona 1917. Ny Revôlisiônan' ny Febroary dia namarana ny fitondran' ny tsar izay i Nicholas II no farany, ary nanangana ny Repoblika Rosiana izay naongan' ny Bôlsevika tamin' ny 7 Nôvambra 1917 nandritra ny Revôlisiônan' ny Ôktôbra. Ny iray amin' ny hery nanosika ny fananganana ny Firaisana Sôvietika ny fanirian' i Vladimir Lenin hampihatra ny fotopampianarana federalista amin' ny alalan' ny fanovana an' i Rosia tokana ho firaisana repoblika miforona araka ny fotokevitra momba ny fizaràn-tany ara-poko izay manana ny fizakan-tena ara-kolontsaina isan-toerana. Tamin' ny voalohany dia nanohitra ny nasiônalisma sôvietika i Joseph Stalin, izay naniry ny hamorona Repoblika Sôsialista Federativa Sôvietikan' i Rosia tokana. Na izany aza, i Stalin dia niverina amin' ny heviny teo aloha ka tamin' ny taona 1925-1939, ny tenany dia namorona repoblika federe maro (ao Kaokazy sy ao Karelia ary ao Azia Afovoany).

Ny Firaisana Sôvietika dia notapahin' ny Antoko Kômonistan' ny Firaisana Sôvietika ary indrindra ny birao mpanatanteraka: ny Politbiro. Ny fahefana rehetra (mpanao lalàna sy mpanatanteraka ary mpitsara), ary koa ny fanaovan-gazety sy ny fiarahamonim-pirenena iray manontolo, dia teo ambany fahefan' ity antoko tokana ity sy ny pôlisy ara-pôlitikany (nifandimby ny Cheka, ny GPU, ny NKVD, ny MGB, ny KGB, sns), ka maha sarintsariny ny fizakan-tenan' ny repoblika federe sy ireo faritra mizaka tena hafa, ary koa ny an' ny sôviety sy ny ambaratongam-pahefana misy azy ka ao anatin' izany ny Sôviety Faratampony sy ny sampana roa ao aminy, dia ny Sôvietin' ny Firaisana (solombavambahoaka iray ho an' ny mponina 300 000) ary ny Sôvietin' ny Firenena (solombavambahoaka 25 isaky ny repoblika sôvietika federe, 11 isaky ny repoblika mizaka tena, dimy ho an' ny ôblasta (faritra) mizaka tena ary iray ho an' ny ôkroga na raiôna mizaka tena).

Ireo fomba fanao ireo, izay nodinihin' i Andrei Amalrik tamin' ny taona 1970 ho toy ny fikorontanana ara-pôlitika sy ara-tsôsialy ary ara-toekarena, ka niteraka fahaverezan' ny fanantenana sy ny maha ara-dalàna izany, dia nandrisika ny governemanta sôvietika, notarihin' i Mikhail Gorbachev nanomboka tamin' ny taona 1985, hanavao ny rafitra amin' ny alalan' ny pôlitikan' ny glasnost ("mangarahara") sy ny perestroika ("fanarenana rafitra"). Na dia teo aza ny fitsapan-kevi-bahoaka natao tamin' ny Marsa 1991 izay nifidian' ny 77,85 % amin' ny mpandatsa-bato ny fiarovana ny Firaisana Sôvietika tsy ho rava, ny fanonganam-panjakana tamin' ny Aogositra 1991 dia nanafaingana ny fianjeran' ilay firenena. Ny Fikambanan' ny Fanjakana Mahaleo Tena dia noforonina tamin' ny 8 Desambra 1991 ary andro vitsivitsy taty aoriana, tamin' ny 25 Desambra, dia nametra-pialana tsy ho filohan' ny Firaisana Sôvietika i Gorbachev.

Ny Federasiônan' i Rosia dia fanjakana mpanohy ny Firaisana Sôvietika ary indrindra nandova ny toerany amin' ny maha mpikambana maharitra azy ao amin' ny Filankevi-Piarovan' ny Firenena Mikambana.

Jereo koa

hanova