Ny fahefana mpitsara, miaraka amin' ny fahefana mpanatanteraka sy ny fahefana mpanao lalàna, dia iray amin' ireo fahefana telo mandrafitra ny fanjakana ao anatin' ny rafitra demôkratika manaja ny fisaraham-pahefana. Manara-maso ny fampiharana ny lalàna sy manasazy ny tsy fanarahan-dalàna no anjara asany. Io fahefana io dia nomena ny mpitsara, izay miantehitra amin' ny rijantenin-dalàna (izay novolavolain' ny mpanao lalàna) amin' ny fandraisana fanapahan-kevitra. Ny fahefana mpitsara koa dia natao hitsara ny fifandirana sy ny tsy fitovian-kevitra amin' ny fampiharana ny lalàna ary ny fandika ny lalàna, eny amin' ny tribonaly tandrify izany.

Jereo koa hanova