Firaisan'ny Repoblika Sosialista Sovietika
Ny Firaisan'ny Repoblika Sosialista Sovietika (FRSS), na Firaisana Sovietika (amin'ny fiteny rosiana: Союз Советских Социалистических Республик izay manana dikan-tsoratra Soyuz Sovietskikh Sotsialistichestikh Respublik) dia Fanjakana federaly, ahitana repoblika sosialista sovietika 15, izay nisy nanomboka tamin'ny 30 Desambra 1922 hatramin'ny fanjavonany tamin'ny 26 Desambra 1991. Moskoa no renivohitra.
Iray ampahaenin'ny velarantany manontolon'ny tany maina ilay firenena izay firenena nidadasika indrindra teto amin'izao tontolo izao. Nandova ny tanin'ny empira rosy izy, afatsy i Finlandy ary Polonia izay lasa firenena mahaleotena taorian'ny ady an-trano rosy tamin'ny 1918 hatramin'ny 1921.