Filankevitra Ekiomenikan' ny Fiangonana

Ny Filankevitra Ekiomenikan' ny Fiangonana, izay atao amin' ny teny anglisy hoe World Council of Churches (WCC) dia fikambanana iraisam-piangonana maneran-tany niorina tamin' ny taona 1948 mba hiasa ho an' ny ekiomenisma. Ny mpikambana feno ao aminy ankehitriny dia ahitana ny Fiangonana Asirianin' ny Atsinanana, ny Fiangonana Ôrtôdôksa Atsinanana, ny ankamaroan' ny fari-piadidian' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Tatsinanana, ny Fiombonan' i Utrecht (Utrecher Union der Altkatholischen Kirchen), ny Fiangonana Loterana Eran-Tany (Lutheran World Federation), ny Fiombonambe Anglikana, ny Fiangonana Menônita, ny Fiombonana Metôdista eran-Tany, ny Firaisana Batista eran-Tany (Baptist World Alliance), ny Fiombonan' ny Fiangonana Nohavaozina eran-Tany (World Communion of Reformed Churches), ny Fiangonana Pentekôtista, ny Fiangonana Môraviana ary ny Fiangonana Siriana Malankara Mar Thoma (Malankara Mar Thoma Syrian Church). Marihina fa tsy mpikambana feno ao ny Eglizy Katôlika na dia mandefa solontena manana ny satan' ny mpanara-maso any am-pivoriana aza.

Ny WCC dia mamaritra ny tenany ho "fiombonana eran-tany misy fiangonana 352 maneran-tany, amin' ny faritra, amin' ny zana-paritra, amin' ny firenena ary ifotony izay mikatsaka firaisankina sy vavolombelona iraisana ary fanompoana kristiana". Tsy manana birao foibe izy, fa ny foibem-pitantanana azy dia ao amin' ny Foibe Ekiomenika any Geneva, any Soisa. Ahitana antokom-pinoana izay lazaina fa misy mpino mihoatra ny 500 tapitrisa manerana izao tontolo izao any amin' ny firenena 110 mahery ny mpikambana ao amin' io fiombonana io.

Maro ny mpiara-miombona antoka an' ny faritra ao amin' ny Filankevitra Ekiomenikan' ny Fiangonana, toy ny Filankevitry ny Fiangonan' ny Atsinanana Afovoany (Middle East Council of Churches) sy ny Filankevi-Pirenen' ny Fiangonana ao Aostralia (Council of Churches in Australia), no miasa ho an' ny firaisankina kristiana eo amin' ny sehatra anatiny, ahitana ny antokom-pinoana toy ny Fiangonana Ôrtôdôksa Atsinanana, ny fiangonana loterana maro, ny Eglizy Katôlika, ny fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana, ny fiangonana metôdista, ny Fiombonana Anglikanina, ireo fiangonana nohavaozina, sns.