I Geneva dia tanàna soisa any amin' ny farany atsimo-andrefan' ny farihin' i Geneva na farihy Leman. Izy no tanàna faharoa be mponina indrindra any Soisa aorian' i Zurich, ary renivohitr' ilay Repoblika sy kantôn' i Geneva. Tamin' ny 1 Janoary 2019 izy dia nisy mponina 201 818 tao amin' ny valaran-tany mirefy 16 km2, saingy tamin' io daty io ihany, ny faritry ny tangoron-tanànany nofaritan' ny Eurostat sy ny Ofice Fédéral de la Statistique (OFS) araka ny fomba fiasa amin' ny faritra an-tanàn-dehibe, izany hoe ny fivondronan' ny tanàna sy ny manodidina miampita sisin-tany, dia nisy mponina 1 032 750 tao amin' ny velarana mirefy 2 292 km2, mampitohy an' i Soisa sy Frantsa.

I Geneva