Fiangonana Môraviana

Ny Fiangonana Môraviana na Mpirahalahy Môraviana, na Unitas Fratrum (latina: "Firaisan' ny Mpirahalahy") dia iray amin' ny antokom-pivavahana prôtestanta tranainy indrindra ao amin' ny kristianisma, nanomboka nisy tamin' ny Fanavaozana Bôhemiana tamin' ny taonjato faha-15 sy ny Firaisan' ny Mpirahalahy (tseky: Jednota bratrská) naorina tao amin’ ny Fanjakan’ i Bôhemia, enimpolo taona talohan’ ny Fanavaozana nataon' i Lotera.

Tombokase an' ny Agnus Dei (varavarankely fitaratra voaloko ao amin' ny Fiangonana Môraviana ao Winston-Salem, Caroline Avaratra.)

Efa hatrany amin' ny taona 1457 tany amin' ny Tanin' ny Satroboninahitra Bôhemiana (Bôhemia sy Môravia ary Silesia) ny lovan' ilay fiangonana, izay efa nahita ny fipoiran' ny hetsika hosita nanohitra ny fomba amam-panao sy ny foto-pampianarana maron' ny Eglizy Katôlika, fanoherana izay notarihin' i Jan Hus izay maty tamin' ny taona 1415. Ny anarany dia avy amin' ny tantaran' ireo izay natao sesitany sy nandositra avy any Môravia nankany Saksônia tamin' ny taona 1722 mba handositra ny Kôntra-Refôrma, ka nanangana ny fiangonana kristiana tao Herrnhut (any Alemaina ankehitriny).

Manana mpikambana eo amin' ny iray tapitrisa eran-tany ny Unitas Fratrum môderina tamin' ny taona 2015. Manohy ny fomba mahazatra momba ny asa misiôna, toy natao any Amerika sy aty Afrika izay ireo, izany dia hita taratra amin' ny fielezany maneran-tany. Manohy ny ankabeazan' ny fanao izay naorina tamin' ny taonjato faha-18 ny Môraviana, anisan' izany ny fanomeana lanja ambony ny fiovam-pon' ny tena manokana ho an' i Kristy (antsoina hoe fahateraham-baovao), ny fitiavam-bavaka, ny asa tsara, ny fitoriana ny filazantsara (indrindra ny fananganana misiôna), ny pasifisma kristiana, ny ekiomenisma ary ny mozika.

Ny fanevan' ny Fiangonana Môraviana dia ny Zanak' Ondrin' Andriamanitra (Agnus Dei), misy sainam-pandresena, voahodidina soratra latina hoe "Vicit agnus noster, eum sequamur" (midika hoe "Efa nandresy ny Zanak' Ondrintsika; andeha isika hanaraka Azy").

Tena miorina amin' ny fitiavam-bavaky ny tsirairay, tsy misy ambaratongam-pahefana, ny Fiangonana Môraviana, izay vondrona kely misy mpikambana 750 000 eo ho eo tamin' ny taona 2015, dia tena mavitrika amin' ny sahan' ny misiôna ary tena mifikitra amin' ny fanehoana amin' ny lafiny mozika ny finoana.