Communion mondiale d'Églises réformées
Ny Communion mondiale d'Églises réformées na World Communion of Reformed Churches (WCRC) dia fikambanan' ny fiangonana nohavaozina (kalvinista) lehibe indrindra eran-tany. Manana antokom-pivavahana miisa 230 ao amin' ny firenena 108 izy io, izay misy mpino 80 tapitrisa eo ho eo, ka izy no fiombonana kristiana fahefatra lehibe indrindra eran-tany aorian' ny Eglizy Katôlika sy ny Fiangonana Ôrtôdôksa Tatsinanana ary ny Fiombonana Anglikana (Anglican Communion). Ity fikambanana kristiana ekiomenika ity dia natsangana tamin' ny vollana Jona 2010 tamin' ny fanakambanana ny Alliance réformée mondiale sy ny Conseil œcuménique réformé.
Anisan' ny antokom-pinoana lehibe indrindra ao amin' ny WCRC:
- ny Fiangonan' i India Atsimo (anglisy: Church of South India),
- ny Fiangonana Presbiterianan' i Afrika Atsinanana (anglisy: Presbyterian Church of East Africa),
- ny Fiangonana Presbiterianan' i Kôrea (fanafohezana amin' ny fiteny kôreana: Yejang),
- ny Fiangonana Evanjelika Etiôpiana Mekane Yesus (Ye Ethiopia Wongelawit Bete Kristian Mekane Yesus),
- ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM),
- ny Federasiônan' ny Fiangonana Prôtestanta Soisa (alemana: Evangelisch-reformierte Kirche Schweiz),
- ny Fiangonana Protestantan' i Indônezia (indôneziana: Gereja Protestan di Indonesia), ny Fiangonana Presbiteriana (Etazonia) (anglisy: Presbyterian Church (USA)),
- ny Fiangonana Evanjelikan' i Kamerona (anglisy: Evangelical Church of Cameroon),
- ny Fiangonana Evanjelikan' i Borneo (maley: Sidang Injil Borneo),
- ary ny Fiangonana Prôtestantan' i Nederlandy (neerlandey: Protestantse Kerk in Nederland).
Ireo antokom-pinoana mpikambana ao aminy ireo amin' ny ankapobeny dia azo heverina ho liberaly kokoa noho ny antokom-pinoana mpikambana ao amin' ny Conférence internationale des Églises réformées (na International Conference of Reformed Churches) na ny Confraternité réformée mondiale (na World Reformed Fellowship), izay fikambanana kalvinista ekiomenika lehibe ihany koa.