Fiangonan' ny Ampakarina
Ny Fiangonan' ny Ampakarina (FnA) dia fiangonana manana firehana evanjelika na ara-pilazantsara niorina teto Madagasikara tamin' ny taona 2013, izay naorin' ny pastora Nicolas Rajemison.
Ny pastora Nicolas Rajemison
hanovaNy fanombohany
hanovaTamin' ny 15 ny volana Mey taona 2005 no nidiran' ny pastora Nicolas Rajemison tao anatin' ny sehatry ny fanompoana matihanina, nianatra sy nandalina ary nohosorana ho mpitandrina izy tamin' ny taona 2008, ary nanomboka sy nitohy tamin' ny asa fanompoana nandritra ny taona maro. Araka ny fomba fitantaran' ny ao amin' ilay fiangonana dia tamin' ny 13 Nôvambra 2013 no namangian' Andriamanitra azy sy nanomezan' Andriamanitra azy ny tari-dalana mazava ny amin' ny iraka nanirahana azy ety an-tany.
Ny iraka nampanaovina azy
hanovaAraka ny fomba fitantaran' ny ao amin' ilay fiangonana dia teny nomen' ny Tompo azy ny teny ao amin' ny Apokalypsy 21:9 manao hoe: "Avia etỳ, dia hasehoko anao ny ampakarina, vadin' ny Zanak' ondry", satria ny hanomana ny olona ho amin' ny fiavian' i Jesosy no tena niantsoan' ny Tompo azy sy nanirahan' Andriamanitra azy, ka nahatonga ny anaran' ny iraka hoe "Ny Ampakarina". Anisan' ny teny nomena ho an' ny iraka "Ny Ampakarina" ilay voalaza ao amin' ny Bokin' i Isaia 49:1-26[1] izay fototra ijoroan' ny Iraka. Io no mirakitra ny misiôna nomen' Andrimanitra ny Fiangonan' ny Aampakarina.
Ny fiangonana sy ny finoany
hanovaTeny filamatra
hanova"Fiangonan' ny Ampakarina - Manomana anao ho ampakarina": io no teny filamatra entin' ny FnA manatanteraka ny iraka nampanaovin' i Jesosy azy. Ny hanohy ny asa izay efa natomboky ny Tompo sy ny mpianany no tena imasoany.
Ny finoan' ny Fiangonan' ny Ampakarina
hanovaNy Fiangonan' ny Ampakarina dia:
- mino ny Trinite, Andriamanitra Telo Izay Iray;
- mino ny batisan' ny rano asitrika;
- mino ny fiasan' ny Fanahy Masina;
- mino ny fahamarinan' ny Baiboly;
- mino ny famonjena tokana raisina amin' ny fanekena an' i Jesosy Kristy ho Tompo sy mpamonjy.
- mino ny fitsarana mandrakizay sy ny fisian' ny Lanitra sy ny helo ary ny fiainana mandrakizay ho an' ireo izay voavonjy ary ny fahaverezana mandrakizay ho an' ireo izay tsy mino.
Jereo koa
hanovaLoharano sy fanamarihana
hanova- ↑ Isaia 49:1 "Ny amin'ny Mpanompon'i Jehovah, Izay voatendry hamory sy hamonjy ny Isiraely sy ny firenena rehetra...."