Fehezankevitra (fitsipiteny)

(tonga teto avy amin'ny Fehezankevitra)

Ny fehezankevitra dia matetika andian-teny ahitana entimilaza sy lazaina (ary fameno, raha tsy maintsy ilaina izany) izay hita anaty fehezanteny iray. Ny entimilaza ao amin' ny fehezankevitra iray dia matetika matoanteny, nefa mety ho sokajin-teny hafa toy ny mpamari-toetra na ny anarana na ny zana-tsokajin-tambinteny sasany izany arakaraka ny fiteny sy ny fahafahan' ny fiteny. Ny fehezankevitra iray dia mety tsy hahitana afa-tsy teny tokana, dia ny matoanteny na ny mpamari-toetra sns izay misahana na tokony hisahana ny anjara asa entimilaza ihany. Ny fehezanteny iray dia mety hahitana fehezankevitra iray na maro ka raha maro izany dia ampifandraisin' ny mpampitohy na ny mpampiankina fehezankevitra arakaraka ny karazam-pifadraisana misy eo amin' ireo fehezankevitra ireo.

Sokajin' ny fehezankevitra hanova

Raha ny fifandraisany amin' izy samy fehezankevitra no heverina dia misy karazany telo ny fehezankevitra, dia ny fehezankevitra mahaleo tena sy ny fehezankevitra mifampitohy ary ny fehezankevitra mifampiankina. Ny voalohany amin' ny fehezankevitra mifampiakina dia atao hoe fehezankevitra iankinana fa ny faharoa dia atao hoe fehezankevitra miankina.

Jereo koa hanova