Mpampiankina fehezankevitra

Ny mpampiankina fehezankevitra na mpampitohy fehezankevitra dia teny na andian-teny fohy izay ampiasaina hampifandraisana fehezankevitra roa ao amin'ny fehezanteny iray mba hanehoana ny fifampiankinan'izy ireo ara-pifehezan-teny sy ara-keviteny nefa izy ireo tsy mitovy anjara asa ka ny iray fototra fa ny iray fameno. Misy koa ny milaza hoe mpampifandray. Atao hoe "mpampitohy mpampiankina" koa ny mpampiakina fehezankevitra. Zana-tsokajin'ny mpampiankina na ny mpampitohy ny mpampiakina fehezankevitra. Ny fehezankevitra ampidirin'ny mpampiakina dia mety hitana anjara asa toy ny anjara asa lazaina na fameno iharana na fameno toe-javatra (antony, vokany, tanjona, fepetra sns) sns.

Jereo koa hanova

Loharano hanova