Fahasalamana
Ny fahasalamana dia toetra ara-batana sy ara-tsaina ary ara-piarahamonina, ananan' ny olona salama, izay tokony ho hita amin'ireo zava-boahary rehetra indrindra ny olombelona, izany hoe na fahasalamana ara-tsaina na ara-batana dia samy azo faritana amin' ny zava-boahary manana aina, mifono nofo sy ra avokoa. Dokotera na mpitsabo no fiantsoina ireo olona manam-pahaizana momba ny fahasalamana, ary ankehitriny dia misy ny fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana toy ny Fikambanana erantanin' ny fahasalamana na ny hoe "Organisation Mondiale de la Santé (OMS)".
